BETEHEZA ANALAVORY

Zaza 13 taona maty voahitsaky ny sprinter


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Zazavavy kely iray vao 13 taona monja ny Alatsinainy atoandro teo no maty tsy tra-drano nitsahin’ny fiara sprinter iray

tao Beteheza Analavory, lalam-pirenena voalohany. Fiara fitateram-bahoaka mampitohy an'i Mahasolo sy Analavory io nanitsaka azy io. Raha araka ny fantatra dia nanapaka tampoka ny arabe io zazavavy kely io tsy nahita ilay fiara sprinter akory. Ity farany izay fantatra fa nirimorimo fatratra tokoa. Ilay zazavavy kely teo an-daniny mbola notakonan’ilay kamiao lehibe nijanona tamin’ny sisin-dalana. Voadona mafy itsy voalohany noho izany ka nandriaka ny rà.Na dia efa noezahana nentina tany amin'ny CSBII aza moa ilay azavavikely dia tsy tana ny ainy. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana lalina ankehitriny raha efa notazonina rahateo ilay mpamily. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Nangonin’i Pati Legende : Ity ilay fiara sprinter namoa-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT