Besorohitra RN7 : Lozam-pifamoivoizana

Lehilahy iray namoy ny ainy, 4 naratra mafy


  • Zoma 10 Janoary 2025

Lehilahy iray namoy ny ainy, olona 4 hafa naratra mafy. Io no vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tany

Besorohitra Fianarantsoa omaly Alakamisy 09 Janoary tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Taxi-brousse Sprinter iray, ho any Ambohimahasoa no nifatratra tamin'ny andrin-jiro ka nifaoka lehilahy iray. Maty avy hatrany ity farany. Olona 4 tao anaty fiaran’ilay fiara ihany koa no naratra mafy ary efa manaraka notsaboina ao amin’ny hopitaly Tambohobe Fianarantsoa. Araka ny nambaran'ny nanatri-maso dia niala fiara 405 maty an-dalana ity taxi-brousse ity ka izao nidona tamin’ny andrin-jiro izao. Tsiahivina moa fa ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana mitranga tahaka izao dia avy amin’ny olana ara-teknika mety hahazo ilay fiara. Avy amin’ny mpamily kosa ny 20% toy ny tsy fahampian’ny torimaso, ny hamamoana, ny fandehanana mafy… antony hamoizana ain’olona tsy manan-tsiny misa 10 isan’andro.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT