Fifamoivoizana

Benjamina Ramarcel Ramanantsoa « Mahavita azy isika »


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Tsy misy mipetrapetraka eto fa miasa isika ary tsy maintsy mahavita azy. Io no nambaran’Andriamatoa Benjamina Ramarcel Ramanantsoa,

  minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana raha nitsidika ny fanamboarana sy fanitarana ireo fotodrafitrasa goavana eto Antananarivo ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato sy ireo toby fiantsonan’ny fiara eny Andohatapenaka, Ambohimangakely sy Ambohimanambola.

Goavana tokoa ny tetikasa, ary maro ny resabe momba azy ireo. Nanamafy ny minisitra tompon’andraikitra, araka ny resaka nifanaovana taminy, fa asa laharam-pahamehana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ary natao mba handaminana ny fiarahamonina sy hanomezana asa ny Malagasy. Ny tena zava-dehibe dia ny fametrahana fotodrafitrasa goavana, raitra sy manara-penitra ary maharitra.Vita ny 75%-n’ny asa fanitarana raha ny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato manokana no resahana. Asa tena goavana ao anatin’izany ny fanitarana ny habe sy ny halavan’ny Piste sy ny fananganana Terminal vaovao. Afaka mandray mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona ny eny Ivato rehefa vita ny asa izay iantsorohan’ny Ravinala airports. Hahazaka fiaramanidina goavam-be (gros porteur) miisa 4 miaraka ny seranam-piaramanidina ary mitovy amin’ny hita amin’ireo seranam-piaramanidina lehibe any ivelany ny fitaovana ao anatiny. Ho lasa 17 500 m² ny velaran-tany misy ny seranam-piaramanidina vaovao ary manodidina ny 125 tapitrisa dolara ny tentim-bidin’ny fanamboarana rehetra. Efa vita amin’ny 70% ihany koa ny asa ho an’ny toby fiantsonana etsy Andohatapenaka. Izy ity no hampiantrano ny zotra rehetra amin’ny lalam-pirenena RN1, RN4 ary RN6, ny volana desambra izao no hahavitan’ny asa. Tsy ambakan’izay fa lehibe ihany koa ny asa fanorenana « gare routière » eny Ambohimangakely sy Ambohimanambola. Efa nanatsidika ihany koa ny minisitra Benjamina Ramarcel Ramanantsoa fa misy ny tetikasa goavana hanamboarana zotran-dalamby mampitohy an’Antsirabe sy Fianarantsoa, ary Fianarantsoa sy Toliara. Asa tsy maintsy irosoana ihany koa, hoy izy ilay tetikasa « Méga Pangalane » hahafahana mampiasa araka ny tokony ho izy ny fitaterana amin’ny alalan’ny ranomamin’i Pangalane. Mazava ho azy fa tetikasa goavambe hanova endrika tanteraka an’Antananarivo ny tetikasa « Grand Tana » izay efa am-piketrehana ny fanatanterahana azy. Tsy maintsy mahavita zavatra tsara isika rehefa tena miasa, hoy izy ary zava-dehibe ny traikefa na ara-teknika na ara-politika amina tetikasa goavam-be tahaka izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT