BEHENJY

Fiara Sprinter vaky kodiarana dia nivadika


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito

omaly Alarobia 16 Aprily folakandro. Fiara Sprinter iray voalaza ho vaki kodiarana no nivadika avy hatrany ka lasa tany an-tanimbary. Tsy nisy ny aina nafoy raha araka ny vaovao voaray saingy nisy kosa ny naratra. Tsiahivina moa fa ankoatra ny olana ara-teknika mety hahazo ny fiara eny am-pandehanana tahaka izao dia anisan’ny miteraka ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny fandraisana toaka….20% any ho any ny tahan’ity farany raha mahatratra hatrany amin’ny 80% kosa ny olana ara-teknika mety hahazo ny fiara. Vokatry ny tsy fanaraha-maso sy ny fikarakarana ny fiara amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. Tsy vitsy mantsy ireo tsy manao visite teknika fa mandoa volakely fotsiny dia afaka miodina sy mandeha hatrany ny fiara na dia efa simba sy misy olana tanteraka aza. Ain’olona anefa no lalaovina isan’andro indrindra fa ho an’ireo taxibe sy taxi-brousse. Mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara Sprinter vaky kodiarana teny an-dalana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT