BEHENJY AMBATOLAMPY

Taksibrosy Crafter nisongona dia nivadika any an-kady


  • Talata 25 Febroary 2025

Manao ranolava ny lozam-pifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena fahafito.

Fiara crafter iray indray no tra-doza afak’omaly Alahady 23 Febroary tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany folakandro teo amin’ny PK 46+100 , Antanimenabe kaominina ambanivohitr’i Tsarafara Behenjy Distrikan’ Ambatolampy. Niainga teto Antananarivo hiazo ny Faritra Atsimo Atsinanana io fiara crafter io, avy ao amin’ny koperativa Kofmad, nentina mpamily iray 49 taona. Tao anaty fiolanana izy no nikasa hisongona fiara tsotra sy semi-remorque izy saingy nisy fiara nifanena taminy. Voatery nisisika mafy teo alohan'ilay semi sy ilay camion hifanena taminy izy vokatr’izany mba tsy hifanao katro-doha . Indrisy anefa fa nikasoka tamin'ilay camion teo alohany ihany ilay crafter nentiny ka tsy afaka mijanona tampoka. Nivarina tany an-kady vokatr’izany izy ireo. Olona miisa 5 no naratra izay nahitana zaza vao 9 taona monja avy ao Bekatra Manakara. 67 taona kosa no zokiny indrindra raha 61 avy ny 2 ambiny niampy ilay zatovo iray vao 30 taona monja. Efa manaraka fitsaboana ao amin'ny CSB II Behenjy avokoa moa ireo naratra hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay taxi-brousse ! Santionany tamin’ireo naratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT