Fifamoivoizana

Bealanana Nifandona ny mpitondra taxi brousse sy ny Bajaj


  • Talata 11 Aprily 2023

Nifandona mafy ireo mpitondra taxi brousse sy mpitondra bajaj tao an-tampon-tanànan’i Bealanana ny alahady lasa teo.

Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia efa nifarana tamin’ny 30 martsa teo ny fe-potoana farany hahafahan’ireo bajaj mampiasa ny lalana fahelan’ireo taxi brousse ireo toy ny miazo an’Antanambolo any amin’ny lalam-pirenena faha-31. Tsy nanaiky anefa izy ireo ny faran’ny herinandro teo fa mbola nanao dihi-doha ihany nanenjika ireo mpitsangatsangana sy olona nivezivezy tany amin’iny faritra iny ka tezitra mafy ireo mpitondra taxi brousse. Voatery nantsoina nandamina ny raharaha noho izany ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny OMC any an-toerana ka niravona ihany ny disadisa. Nanambara moa ireo mpitondra taxi brousse fa tokony hanaja ny lalan-kalehany amin’izay manomboka ireo bajaj hisorohana ny fifandonana mety hisy tahaka izao. Samy vola mantsy no tadiavina kanefa lasa mifamono izy ireo rehefa tsy mahay mifandamina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT