Banky iraisam-pirenena

Nanara-maso ny fanamboarana ny RN4


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Nidina ifotony nijery ireo asa fanamboaran-dalana vita tany amin’ny lalam-pirenena fahaefatra

RN4 » any amin’ny faritra Boeny ny solontena avy ao amin’ny Banky Iraisampirenena, niaraka tamin’ny delegasiona avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, notarihan’ny Tale Jeneraly, Atoa Razafindrianarivo Henri Jacob, araka ny serasera nataon’io Minisitera io omaly. Famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny tetikasa " Contingency Emergency Response Componant" andiany voalohany na CERC I moa ny fanamboarana. Fitsidihana naharitra 2 andro no natao, ka ny voalohany nijerena ireo asa fanamboaran-dalana natao tamin’ny RN4, nanomboka avy tany Mahajanga ka hatrany amin’ny Tetezana vaovao Ampasimbe, teboka halaviran-dalana PK 387. Nahafa-po ny Banky Iraisampirenena tamin’ny ankampobeny ny asa vita tamin'ny tetikasa CERC I, raha ny tatitra, ka nisy toromarika hanafainganana ny fanombohana ny asa amin'ny tetikasa CERC II. Ny andro faharoa kosa no nitsidihina ny seranantsambo ao Mahajanga, niarahana tamin’ireo delegasiona sy ny avy ao amin’ny « Agence Portuaire Maritime et Fluviale ». Nivoitra ny faharesen-dahatry ny rehetra fa mila fanarenana sy fanitarana ity seranantsambo ity, ary tokony hatomboka faran'izay haingana ny asa. Atao mifandraika amin'izany koa ny asa fanarenana ny RN4, raha ny fanamarihana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT