Fifamoivoizana

Bajaj Tsy mahazo mivoaka ny kaominina iray


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Noho ny fiverenan'ny lozam-pifamoivoizana hita tato ho ato, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra,

 

 

 

izay miteraka famoizana aina sy fahasimbana ara-materialy, dia noamaohan` ny tomponandraikitra momba ny fitaerana naoty ny mahakasika ireo Bajaj. Afaka mifamezivezy ny Bajaj saingy tsy mandeha afa-tsy ao amina kaominina iray, mandra-piandry ny famoahana andian-dalàna mifehy ny fiasan'ity fitaovam-pitaterana kodiarana telo (tricycle) amin` ny fitaterana olona na entana. Voarara, araka izany, ny familiana azy ireny amin'ny lalam-pirenena ivelan'ny kaominina iray. Ny hafainganam-pandehan' ny Bajaj dia tsy tokony mihoatra ny 40 km / ora, araka ny naoty avy amin'ny minisiteran'ny Fitaterana. Ny tsy fanarahana ireo fepetra ireo dia miteraka iray amin'ireto sazy manaraka ireto: fampitandremana, fampidirana fourrière ilay fitaovam-pitaterana, fisintonana amin`ny fotoana voafetra fahazoan-dalana manao ny asa (retrait temporaire des actes administratifs) mandritra ny telo volana farafahakeliny, ny fisintonana ny asa fitantanan-draharaha.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT