Fifamoivoizana

Bajaj ao Mahajanga Miditra “fourrière” avy hatrany izay tsy ara-dalàna


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Mihamitombo isa hatrany ireo bajaj miasa ao an-drenivohitr’i Mahajanga amin’izao fotoana izao.

 Raha araka ny fanazavan’Atoa Nourdine,  tompon’andraikitra voalohany misahana ny fitaterana eo anivon’ny  kaominina, kaominina dia efa mananika ny 2.000 isa izy ireo ankehitriny nefa ny 890 ihany no manana laharana sy nahavita ny licence-ny ara-dalana. Mety mbola mihoatra io isa io hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity satria dia misy amin’ireo tyompona bajaj no mampiasa bajaj maromaro nefa laharana iray ihany no hananany raha tsy manana taratasy mihitsy ny sasany nefa miasa mampidi-bola isan’andro. Antony nandraisan’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga sy ny prefet  any an-toerana ary ny koperativa Bajaj ilay fepetra hampidirana ny fourriere  ireo tsy ara-dalana izany rehetra izany ato ho ato. Ny tapaky ny volana  Aogositra ho avy izao no fe-potoana farany nomena azy ireo. Marihina moa fa naaton’ny kaominina aloha ny ny fizarana capacité ho an'ireo mpamily bajaj noho ny atsirambina hataony amin’ny asany ihany koa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT