Fifamoivoizana

Avy nijery RUN Nidofotra tamin’ny hazo ilay fiara BMW


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Fiara BMW iray no tra-doza omaly hariva mialoha kelin'Ambatomirahavavy raha hitodi-doha hiakatra hiazo an’ Antananarivo.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mahery vaika ny loza satria raha araka ny fantatra dia nisy vehivavy iray somary vaky loha izay efa nentina namonjy hopitaly, naratra ihany koa ny lehilahy iray niaraka taminy ; ity lehilahy ity no voalaza fa namilyy ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy raha ny fantatra . Nandeha mafy dia mafy ity fiara BMW ity, ka nisy fotoana tsy nahatana familiana ny mpamily ary dia nidona tamina hazo, raha ny resaky ny nanatri-maso.Rehefa nidona dia tafahodina mihitsy ary potika tanteraka ny eo aloha, nilatsaka ny motera ary niongotra ny kodiarana. Anisan’ireo nijery fifaninanana hafainganam-pandeha amina lala-mahitsy na Run teny Arivonimamo moa raha araka ny fantatra ity fiara tra-doza ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tena mafy ny dona nahazo ny fiara (Sary nindramina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT