Fifamoivoizana

Aviation Civile de Madagascar Niala tamin’ny fahanginany ny PCA


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Taorian’ny fihainoana ny hevitra samihafa avy amin’ireo mpiasa eo anivon’ny Aviation Civile de Madagascar,

 

 

 

 ny fahitana ny resaka an-gazety tato ho ato, dia nivoaka taminn` ny fahanginany ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny (PCA) ACM, Razafy Robert ary nitondra ny heviny momba ny zava-misy ankehitriny. Tamin’izany no nilazany, fa nisy ireo mpiasa tonga nidodododo tany aminy, nilaza ny zava-misy sy ny manjo azy ireny ; tetsy ankilany, tsy niafina taminy ihany koa ny zavatra voaresaky ny fampahalalam-baovao samihafa. Teny tokana no nentiny nilazana izany : « misy « trouble » ka tsy azo avela amin’izao fa tsy maintsy arovana mba tsy hankany amin’ny ratsiratsy kokoa(désastre) ny fandehan-javatra. Tsy maintsy arovana ny ACM, hoy indray izy, fa eo amoron-kady. Misy ny fahefana voalazan’ny rijan-teny momba ny filakevi-pitantanana, ity farany izay hifamory handinika ny toe-javatra miaraka amin’ny faha-10 desambra ho avy izao, satria voalazan’ny rijan-teny fa tsy maintsy ao anatin’ny 15 andro ny fiantsoana fivoriana ; koa amin’io, hojerena miaraka ny zava-misy ary tsy maintsy hahitsy, harenina izay tsy mety, hotadiavina ny fomba hamerenana azy indray amin’ny lalana tokony hizorany fa tsy azo avela ho rava ny ACM, hoy indray izy. Raha ny nambaran’ity tekinisianina ity, tsy miampanga an’iza n’iza izy no koa tsy manameloka fa misy ny fahefana eo am-pelatanan’ny Filankevim-pitantanana, amin’ny maha filohan’io rafitra io azy, hampiasa ny fahefana eo am-pelatanany izy hanitsiana ny tsy fetezan-javatra mba tsy hamoizantsika ao anatin’ny fotoana fohy izay kely mba ananantsika, tahaka ny fitokisan’ny avy any ivelany, ohatra. Aza hadinoina,hoy ihany izy fa misy ny rafitra na fandaminana manerantany ankoatra ny sehatra nasionaly momba ny “aviation civile”, ny OACI no manao izany. Ny Fanjakana amin’ny alalan’ny ACM, ho antsika Malagasy no tompomarika amin’ny eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena raha vao io no resahina. Ny fisian’ny vaovao an-gazety tahaka ireny dia tsy azo afenina fa tsy maintsy tonga any amin’ny foiben’io rafitra io. Soa ihany, mbola mikatona ny sisintanintsika ka tsy afaka nandefa ny irany aty, hijery sy hamantatra ary hanara-maso ny tena zava-misy marina izy ireo. Mandra-pahatongan’izay, efa azontsika vahaina amin’ny ampahany aloha, ny olana, hoy indray ny filohan’ny filankevi-pitantanana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT