Fifamoivoizana

Avaradoha Namoy ny ainy ilay mpitondra moto voadonan’ny taxibe


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Nitrangana lozam-pifamoivozana nahatsiravina omaly teny Avaradoha. Tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany.

Taxibe iray ao amin’ny zotra 144 avy any Ampasampito hizotra ho any Avaradoha no nandona moto miisa roa sy fiara tsy mataho-dalana 4x4 iray ary fiara sprinter iray. Maty vokatr’izany ny lehilahy iray 34 taona nitondra ilay moto rehefa noentina namonjy hopitaly. Noho ny ratra mafy loatra no antony nitarika ny fahafatesany. Ilay fiara 4x4 iray sy sprinter iray ary moto iray kosa simba avokoa vokatry ny fifandonana mafy. Notazonina eny amin'ny biraon'ny Polisy hatao famotorana moa ilay mpamily hatramin’ny omaly maraina hahafantarana izay tena zava-nisy marina. Samihafa avokoa mantsy ny fahitan’ireo nanatri-maso ity loza ity. Tao ireo nilaza fa nipotsaka tsindry hisatra ilay taxibe, tao ireo nilaza fa nandeha mafy ilay mpamily….Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka hanamarina izany tanteraka. Tsiahivina moa fa ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana mitranga dia vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT