AUTOROUTE TOAMASINA

Manamafy ny Samcrete fa manohy ny asa izy ireo


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Manoloana ny resabe etsy sy eroa sy ny mety ho vaovao hafa miparitaka dia manamafy

ilay orinasa Egyptiana Samcrete fa miroso hatrany ny asa fanamboarana ilay « autoroute » manomboka eo Talatanivolonondry mihazo mankany Toamasina . Orinasa izay iray amin’ireo telo manana ny maha izy azy ao Egypta, miantsehatra amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa goavana toy ny làlana, ny tetezana sy ny maro hafa ny SAMCRETE, hoy ny fanamarihana ary efa namita asa tany Congo, Ouganda ary ireo firenena ao amin’ny hoalan'i Persika.
DINGANA 3, HANAO ASA MATEZA
Tsiahivina fa ny volana desamba 2022 no nametaka ny vato fehizoron’ny fanamboarana ity lalam-be migodana ity ny filoham-pirenena Malagasy, ary mizara telo mazava tsara ny asa : ny dingana voalohany dia fanaovana làlana mirefy 80 km, 85 km kosa ny dingana faharoa sy fahatelo. Mampiasa fitaovana maventy sy maoderna ny Samcrete araka ny fampitam-baovao voaray ary tanjona ny hanorina làlana mafy sy tsara ary mateza ho an’ny taranaka. Samy hahazo tombotsoa amin’izany na ny mpandraharaha ara-toe-karena, na ny olon-tsotra satria dia adiny telo monja no hanaovana an’Antananarivo Toamasina rehefa vita ny làlana, raha ny vinavina. Tsy vitan’izay fa mamorona asa ho an’ny tanora ihany koa ity tetikasa ity, an-jatony ireo tanora efa miasa eo anelanelan’ny Talatanivolonondry hatrany Toamasina hatreto. Vinan’ny orinasa Samcrete ny hampitombo izany ho avo roa heny. Manampy ny Malagasy amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ihany koa ny orinasa.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT