Autoroute, tetikasa samihafa, famahana olana

Fenoina amin’ny serasera ny tsy fahombiazana…


  • Zoma 15 Novambra 2024

Fanintelony na faninefany omaly ny nanaovana fihetsiketsehana mikasika ny làlambe migodana mampitohy

an’Antananarivo sy Toamasina. Raikitra indray ny famoriam-bahoaka nataon’ny Filoham-pirenena omaly teny Ambodifasina, izay nambara fa PK 00 hiaingan’ity làlambe migodana ity. Eo Ambodifasina 18km hatrany an’Ambolo Talatan’i Volonondry izay nanombohana azy herintaona lasa ny PK00, 30 km mahery no vita « remblais » tanteraka, ary efa manomboka ny « couche de fondation », ka raha vita ny 18km hatrany amin’ny toerana nanombohana azy dia efa vitantsika ny 50km amin’ny 80km andiany voalohany izay volam-panjakana madiodio no hanombohana azy, hoy ny Minisitry ny asa vaventy Atoa Rafidison Jean Théodore. Nambara fa ny 15 oktobra no afaka nanomboka tanteraka ny « travaux de remblayage » noho ny tsy maintsy nifampiresahana tamin’ireo mponina. Manodidina ny 1km ny asa nanomboka ny 15 oktobra, ary amin’ny faran’ny desambra 2025 dia vitaina miaraka ny 80km. Efa manodidina an’i Sadabe na Mangamila no efa vita amin’izao. Tahaka ny kabary efa miverimberina fanaony kosa dia nilaza i Andry Rajoelina, fa 64 taona niverenan’ny fahaleovantena, izao isika mba hanao « Autoroute » ka izay zavatra lazaina tsy maintsy atao, ary ny zavatra efa natomboka tsy maintsy vitaina. Tsy fantatr’izay tsy manao, tsy hita sy tsapan’izay mitsikera, fa rehefa miasa isika dia tena miasa, hoy ingahy Filoha. Nilaza i Andry Rajoelina, fa ireo mpitsikera no handeha voalohany amin’io. Izao adin’ny 12 ny kamio avy any Toamasina, fa rehefa vita mahavita « voyages » 3 ao anatin’ny iray andro, ka izany ny fampandrosoana tiana hapetraka, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Hatramin’ny desambra 2023 no nolazaina fa hahavitan’ny 80km voalohany, raha ny serasera nipoapoaka tany amin’ny faran’ny taona 2022 fa mandrak’ity ny androany roa taona aty aoriana mbola miandry faran’ny taona 2025 izany ka asa hoe : ao anatin’ny firy taona no hahavitan’ny 265km hatrany Toamasina ? Telo taona no hanaovana 80km ka hanao ahoana izany ny fanatanterahana ilay « Route du soleil » 2000km izay miala any amin’ny Faritra Diana any Avaratra hatrany Amin’ny Faritra Anosy any Atsimo ? Toa zary lasa fanao ny mandeha midina sy mamory vahoaka eny amin’ity « Autoroute » ity rehefa mafampana ny olana sosialy samihafa mba hilazana fa miasa ny Fanjakana kanefa ny vokatra azo tsapain-tanana tena hiviny. Izay ilay hoe : ny serasera sy ny sehoseho ivelany no hatao mipoapoaka hanakonanana ny tsy fahombiazana tahaka ny atao amin’ny resaka angovo sy herinaratra ihany!?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT