Fifamoivoizana

“Autoroute RN2” Roa taona mahery no efa natao sonia


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Lalam-pirenena 8.000 amin’ny 10.000km no voakojakoja tamin’ny taona 2016 noho ny tsy fahampian’ny bolongam-bola.

Latsaka 20 miliara Ariary be izao mantsy ilay 51 miliara Ariary voasoritra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana taona 2016. Fanambin’ny minisitera mandritra ny taona 2017 ny hikojakoja lalam-pirenena hatrany amin’ny 10.805km. Hatomboka amin’ny faran’ny taona kosa ny fanamboarana ilay lalana migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, araka ny tsilian-tsofina. Efa tontosa avokoa hatreto ny ketrika teknika nataon’ireo manampahaizana sinoa miaraka amin’ny lafiny famatsiana ara-bola, araka ny fanampim-panazavana. Manodidina ny 250km, izany hoe ho fohy kokoa mihoatra amin’ny RN2 moa ny halavany, araka ny fanamarihana nentin’ny minisitera mpiahy. Tsiahivina ihany fa efa tamin’ny 3 jona 2015 no nosoniavina tany Macao ny fanatontosana io «autoroute» voalohany tokony hampifandray ny faritra Analamanga amin’ny faritra Atsinanan’i Madagasikara io. Fifanarahana izay tafiditra ao anatin’ny FOCAC (Forum de Coopération Chine-Afrique).

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT