« Autoroute » mandalo

an’Ambohimanga Rova Mitaraina noho ny hanotorana tanimbary 170 ha ny tantsaha


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Mikorontana ny fokonolona anatin’ny fokontany miisa 22 ao amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova

ankehitriny noho ny resaka fanotorana tanimbary hanaovana ny tetikasa lalam-be migodana na « Autoroute ». Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo tao Antsahakely omaly, nanamafy ny ahiahiny satria eo amin’ny 170 ha eo ny tanimbary ambaran’ireo tantsaha fa hototofana, kanefa tena mamokatra hatrany amin’ny 90%, hoy izy ireo. Rehefa nanontaniana mikasika ny hoe : manao ahoana ny fanonerana moa ny mponina nampita vaovao, dia nilaza fa tsy mazava ny resaka, kanefa amin’ny 11 oktobra lasa teo no handeha ny tetikasa. « Milaza efa nanao fampilazana ny kaominina fa efa nanaiky daholo ny fokonolona kanefa tena maro no tsy mahalala, fa dia hanaovana bontolo fotsiny », hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ny herinandro lasa teo, efa nisy ny fametrahana « piquet » ka rehefa miteny ny fokonolona, dia famoretana no atao satria dia efa nandefasana zandary miisa 4 nirongo fitaovam-piadiana, hoy hatrany ny fitarainana. Asa inona no mety hataon’ny Fanjakana izay tompon’ny tetikasa sy manana ny fahefana eo anatrehan’ny zava-misy satria isan’ny ventesina ihany koa ny fahavitan-tena ara-bary ?
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT