Fifamoivoizana

« Autoroute » Antananarivo-Toamasina Mbola tsy mazava tsara ny famatsiam-bola


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Mandeha ny fanamarihana sy fanontaniana amin’izao fotoana izao momba ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fanamboarana ny lalàmbe migodana na “Autoroute”

mampifandray an’Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina noho ny antony maro tsy mazava.
NY AMBARAN’NY LALÀNA
Raha ny lalàna fehizoro mikasika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LOLF (Loi Organique sur les lois de finances) N°2004-007 tamin’ny 27 jolay 2004, ao amin’ny tapany fahadimy na “Section V” miresaka trosam-panjakana, andininy faha-39 dia milaza fa ny findramam-bola amin’ny anaran’ny Fanjakana dia ataon’ny Minisitry ny fitantanam-bola. Ilay 950 tapitrisa dolara anaovana « autoroute » ve vola nindramina sa vola ahoana ? Hoy ny mpandinika iray. Raha araka io adinin- dalàna io nahoana no tsy ny minisitry ny vola no nanao sonia azy fa ny Minisitry ny asa vaventy? Io andinin-dàlana io ihany koa mbola milaza fa ny vola indramina dia tsy maintsy mandalo sy hita ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary lasa ho “recettes” na vola miditra izy amin ny fotoana anaovana famoahana na “déblocage”, hoy ny fanamarihana.
MILA MANDALO PARLEMANTA
Ny lojika ihany koa dia mandalo fandaniana na “ratification” eny amin’ny parlemanta ny fifanarahana misy fitrosana hanaovana tetika lehibe tahaka izao, tahaka ny natao tamin’ny tetikasa teleferika. Ny nambaran’ny Fanjakana dia ny hoe: 20% avy amin’ny fitondram-panjakana ary 80% avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, ary ao anatin’ny 15 taona no hamerenana ny vola, miainga amin’ny vola ampidirin’ilay “autoroute”. Ny soniam-pifanarahana dia natao tamin’ny orinasa Ejiptianina Samcrete, izay voalaza fa nahazo ny tsenan’asa hanamboatra ny làlana. Mbola adihevitra lehibe ny hoe: nanaraka ny fenitra momba ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena ve na nolazaina aza fa orinasa telo no nanao tolotra ka io no mora indrindra? Iza ary izany ilay lazaina fa mpiara-miombon’antoka handoa ny vola hanamboarana ny làlana sa ilay orinasa hanao azy no hamoaka vola? Isan’ny nanamarika ny depiote avy any Toamasina Roland Ratsiraka fa sarotra ny hanombohan’io tetikasa io ao anatin’ny roa taona, izay nampiaka-peo ny Minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana. Tsy finiavana hitsikera ary maniry ny hahavitan’ny tetikasa, saingy mampanahy ihany sao ho fihetsiketsehana ivelany hatrany no betsaka,… Tsy vao sambany no nisy sonia, selfie, vato fototra,… Asa firy kilaometatra no vita tamin’ny 10 km mampitohy ny seranantsambon’i Toamasina hatrany Tsarakofafa nametrahana vato fototra ny 7 aprily 2019 ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT