Fifamoivoizana

Atsimombohitra Ampitatafika Nanampy tamin’ny fanamboaran-dalana ny Afd sy ny Gret


  • Zoma 31 Martsa 2023

Vita « béton » ny lalankely ao amin'ny faritr'Ambohijafy, Fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano.

Famatsiambola avy any amin'ny Agence française de développement (Afd) sy ny ong Gret mitentina 40 tapitrisa vola tsy averina no nahafahana nanao izany araka ny fanazavany Ben'ny tanàna Rado Ramparaoelina. Raha tsiahivina dia anisan'ny nandray anjara tamin'ilay hetsika tanàna madio lavitry ny fako ny kaominina Ampitatafika. distrikan'Atsimondrano 4 no indray nifaninana tamin'izany ka anisan'ny nahazo loka izy ireo, Antony nahazoana Ity famatsiam-bola Ity. Naverin'ny kaominina ho tamberim- bidy ho an'ny vahoaka ao aminy avy hatrany izany ka ankoatra ny fanamboarana ity lalankely natao béton ity dia namboarina nasiana zaridaina nahafinaritra ihany koa ny sisin-dalana. Nanampy ny kaominina tamin'izany hatrany moa ny Ong Gret izay nanentana sy mampianatra ireo mponina tao Atsimombohitra ho tia fahadiovana omaly no sady nizara loka ihany koa ho an'ireo nahavaly ny fanontaniana napetraka taminy momba ny fahadiovana sy fidiovana. Ankoatra ny hafinaretan'ny maso sy ny fifalian'ny saina moa dia tsiahivina fa tombony lehibe ho an'ny fahasalamana ny fananana tanana madio ka tokony hataon'ny rehetra laharam-pahamehana.
Pâti
Légende : Nahafaly ny olona tahaka izao ilay lalankely notokanana omaly sy nasiana zaridaina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT