Fifamoivoizana

Atongombato Mahitsy Maty ilay mpitondra moto niala alika


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray omaly zoma vao maraim-be teny Atongombato Mahitsy, distrikan’ Ambohidratrimo.

 

 

Lehilahy nitondra moto iray niala alika niampita ny arabe no nifanehitra tampoka tamina kamiao iray lehibe nitondra entana ka namoy ny ainy avy hatrany raha ny loharanom-baovao azo. Mafy dia mafy ny fifandonana teo amin’ilay mpitondra moto sy ilay kamiao noho izany ka niparitaka tamin’ny tany mihitsy ny lohan’ity Raim-pianakaviana mpitondra moto ity. Efa tonga nijery sy nanao fanadihadiana teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza moa ny mpitandro ny filaminana.

 

Nangonin’i Pati

 

 

 

Sary nindramina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT