Asa vaventy sy fanamboaran-dàlana

« Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina »


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nihaona tamin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy notarihin’ny Minisitra Rafidison Richard Theodore sy ireo mpiara-miasa aminy ny Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina omaly.

Navoitra tao anatin’ny tatitra ny fanafamafisana fa mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy io Vondrona io. Tsiahivina fa nanamaloka ny fifandraisana ny tsy fankasitrahan’ny fitondrana ankehitriny ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha, ka nangatahana fanoloana. Nodinihin'ny roa tonta kosa omaly ny handrindrana ireo tetikasa mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny fanamboaran-dàlana izay isan'ny vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy izany, indrindra ny fanamboarana ireo làlana any ambanivohitra mifandray amin’ny lalam-pirenena mba hanamorana ny famoahana ireo vokatra sy mba tsy hampitoka-monina ireo kaominina lalovan’izany, araka ny seraseram-panjakana. Teo ihany koa ny fijerena ireo ireo tetikasa marobe izay volavolain’ny MTP toy ny fanarenana ny RN6, sy ny fanamboarana ny RN13,... Tsara anefa no mampahatsiahy, fa isan’ny nanaovan’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha fanamarihana sy fanontaniana ny mikasika ny tsy fanjarian’ireo tetikasa, toy ny fanamboaran-dàlana izay 15 na 25 taona ohatra ny fifanarahana fa tokony haharetany kanefa 5 taona dia potika. Tahaka izany ihany koa ny nanehoan-dRtoa Isabelle Delattre tamin’izany fa tsy mazava ny fitantanana ny volan’ny Fonds Routiers na ny FR. Nanaovan’ny fitondrana serasera mafy ny hanafainganana ireo asa fanamboarana sy fikojakojana làlana, saingy nanamafy ny efa nambarany herintaona lasa ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Atoa Hajo Andrianainarivelo fa ny Filoha sy ny Praiminisitra no isan’ny nanao sakana tamin’ny tsy fahafahana mamoaka vola, kanefa ny antso tsenam-baro-panjakana atao. Isan’ny departemanta nisolo minisitra im-betsaka ny asa vaventy ka andrasana indray izay hafitsoky ny Minisitra ankehitriny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT