Manoloana ny fandavan’ny mpitondra fiarakaretsaka vitsivitsy ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny
« contre visite » iantsorohan’ny OMAVET dia manamafy ny Fiadidian’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra mba tsy hampiroaroa saina ny rehetra, fa tsy marina velively ny fanambarana fa lasan’ny orinasa tsy miankina ny sampan’asa iantsorohan’ny Kaominina. Efa tamin’ny taona 1996 no tao amin’ny kaominina ny OMAVET ary ny 96%-ny petra-bola miasa ao dia mbola azy, hoy ny kolonely Ramboasalama Emilien, Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna. Manana ny fitaovana raitra sy traikefa amin’izany ny OMAVET ary fandaminana anatiny no tanterahana ankehitriny. Noferana ho teboka 12 ny fitsirihana atao amin’ny fiara araka ny voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha-877-CUA/M/CAB.16 ary fanampiana sy fanatsarana no vaindohan-draharahan’ny kaominina, toy ny fanafoanana mora foana ny fiarakaretsaka tsy ara-dalàna, ny fialàna amin’ny kolikoly,... Amin’ny taona 2018 vao tena hihatra io asa iantsorohan’ny OMAVET io mba hiomanan’ny mpitatitra. Nanamafy ny kolonely Ramboasalama Emilien, fa “efa tapaka kosa ny hevitry ny kaominina amin’ny fampandrosoana ary tsy hihemotra velively”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.