Fifamoivoizana

Arcade sy Araben’ny Fahaleovantena Analakely Fiara miisa 18 tsy nanara-dalàna nesorina


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Taorian’ny fampitandremana nomen’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) afak’omaly an’ireo mpivarotra isan-karazany mampiasa iny Arcade sy ny Araben’ny fahaleovantena Analakely sy ny manodidina iny, toy ireo fiara maty,

 

 

 

 ny fiara amidy, ny fiara anaty Passage zébré, Bouffe Mobile, mpivarotra amoron-dalana izay marihana fa tsy manara-dalàna sy tsy nahazo alalana avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, nidina ifotony omaly nampihàtra ny lalàna ny sampandraharaha misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena DTMU, niaraka tamin’ny Easy Park, ny polisy monisipaly sy Nasionaly, ny mpamonjy voina ary ny avy ao amin’ny Intendant. Fiara roa no naiditra fihibohana na fourriére satria fiara tsy nihetsika sady efa tsy mandeha intsony. Fiara 16 no nasiana Taquet d’Arrêt. Ireo mpivarotra tsy tafiditra ao anaty fikambanana tsy nahazo alalana avy amin’ny CUA toy ny Bouffe Mobile, ny mpanao Décodage, ny mpivarotra hani-masaka tsy ara-dalàna, ny mpivarotra fiara … dia noesorina avokoa ary samy nahazo fampitandremana. Izao no natao, hoy ny Tale misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena eto an-drenivohitra Landy Raveloson, dia fametrahana sy fampiharana ny lalàna sy lamina izay efa nifampidinihana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra efa ho herintaona sady fampiharana ny ara-dalàna araka ny efa tarigetran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy. Hitohy ary tsy hijanona ny hetsika fanadiovana sy fametrahana ny tany tan-dalàna eto an-drenivohitra izao ary entanina hatrany ny rehetra hanaraka ny fandaminana apetraky ny Kaominina mba hisian’ny fandrindrana mazava.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT