Fifamoivoizana

Arabe sy lalam-pirenena Ny olombelona indray no mandefitra amin’ny omby


  • Talata 10 Aogositra 2021

Olona nandeha nankany Fianarantsoa sy amin’iny mianatsimo iny no nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra facebook omaly fa tampoka teo dia feno omby ny lalana.Io omaly io ihany teny Andranonahoatra – Itaosy

 Antananarivo Atsimondrano tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva , indreny andian’omby miisa 10 eo ho eo, somary mitrifana ihany ary anaty arabe soamantsara.Ireo mpandroaka omby no miantsoantso hoe : “mba pihana ny jiro” mantsy ireo mpitondra fiara, satria hoe sao manaitra ireo omby.Saika niteraka fifamaliana satria ny olona ihany koa maika hody tamin’io ora io, efa reraky ny asa sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana kanefa dia voatery miandry satria tsy nisy lalana.Zahay indray ve no handefitra amin’ny omby hoy ny raim-pianakaviana iray, hita fa kivy no sady sosotra.Santionany fotsiny ireo fa maro be ny tranga, omby mandeha eny amin’ny arabe maraina atoandro hariva…tsy fantatra hoe fa ahoana marina.Dia tena mahagaga fa eto Antananarivo renivohitra no ahitana izany; ny tena raharaha dia misy fotoana miteraka lozam-pifamoivoizana izy ireny ankoatry ny fanairana tampoka ny olona eny an-dalam-be eny.Ny olombelona indray no mandefitra fa miridana amin’izay itiavany azy ny biby, dia tsy misy fandaminana sy fandraisana andraikitra azo atao mihitsy ve fa samy manao izay maha metimety azy ? Kaominina ambonivohitra ary renivohitr’i Madagasikara Antananarivo fa dia ahitana omby mivezivezy isan’andro.Ny eny amin’ireo lalam-pirenena moa dia efa tsy resahana intsony fa misy mipoitra tampoka avy any ka raha tsy kinga ny mpamily dia asa fotsiny.Tsy efa mba fotoana ve izao handaminana fa tsy mbola fomba fiainana tamin’ny 50 na 100 taona lasa no mbola hiainana hatrany.
(Sary nindramina)
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT