Fifamoivoizana

Arabe eto an-drenivohitra Betsaka no potika, atahorana ny etsy amin’ny 67 ha


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Foto-drafitrasa fampiasa isan’andro tokony hojeren’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny asa vaventy maika ny lalana etsy amin’ny Vatobe 67 ha.

Ankoatra ilay lalana fampiasan’ny taxibe avy any amin’ny lalam-baovao miazo an’Ambodin’Isotry izay efa vita soamantsara iny mantsy dia mbola olana goavana ary ahiana ho tapaka mihitsy amin’ny fotoam-pahavaratra ny lalana etsy amin’ny Vatobe miazo an’Andohatapenaka. Mbola tsy misy akory ny ranon’orana milatsaka eto an-drenivohitra dia efa goaka be sahady iny lalana iny. Na ireo taxibe aza mila tsy ho afaka intsony raha voatery miverin-dalana kosa ny kodiaran-droa toy ny moto. Nomarihin’ireo mponina eny an-toerana moa fa an-taonany maro no nanaovan’izy ireo antso avo tamin’ny Fanjakana ny mba hanamboarana iny lalana iny. Zara raha misy mikitika anefa izany hoy hatrany ny mponina raha misy hany ka tonga hatreny amin’ny an-tsasaky ny valahan’ny fiara mandalo eny amin’iny faritra iny ny rano rehefa fotoam-pahavaratra. Lasibatra ihany koa ireo trano miorina amoron-dalana eny amin’iny faritra iny….Ankoatra ny miazo an’ny Vatobe 67 ha moa dia lalana maro eto an-drenivohitra no efa potika ankehitriny ka tokony hojeren’ny kaominina sy ny Fitondram-panjakana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT