Fifamoivoizana

Aorian’ny lozam-pifamoivoizana Inona no atao, aiza no aleha ?


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Maro amin’ireo manana fiara sy mpamily no manadino ny zotra arahina amin’ny lozam-pifamoivoizana izay mety mitranga. Marihina koa fa manandanja amin’ny ho mety ho onitra na lamandy ny orinasam-piantohana sy ny mpisolovavany.

 

 “Raha nitory ny havan’ny niharam-boina,  ny mpisolovava no miezaka mandresy lahatra amin’ny lafiny rehetra, amin’ny mpisolovava mpifanandrina aminy avy an’ny fiara izay nifandona sy miatrika ny mpitsara. Ekena fa samy miakatra fitsarana avokoa ary anatanterahana adikadina ny mpandona sy ny voadona ara-batana, fa ny mpisolovavan’izy ireo izay avy amin’ny orinasam-piantohana no mamelabelatra ny lalàna ka miaro izay entohany avy.” Hoy ny tenin’ny raim-pianakaviana iray izay efa misotro ronono niasa tamin’ny orinasam-piantohana. Tsy voatery iantehitra amin’ny mpisolo vavan’ny orinasam-piantohana ny mpandeha tsotra iray raha misy fahavoazana ara-batana, araka ny fanazavan’ny Onja, mpampianatra lalam-pifamoivoizana amin’ny sekolim-pitondrana fiara, fa afaka maka mpisolovava ho azy manokana izy. Na kely fotsiny aza ny ratra, afaka mitory ny voadona. Raha tsy misy maratra, fa fahasimbana fiara, na goavana aza izany, tsy miakatra fitsarana  fa samy mameno ny taratasiny avy amin’ny fiantohana ny fiara, raha tsy mety mameno ny andaniny dia fenoina ny tandrify ny tena. Raha mibahana fifamoivoizana dia soritana ny faritra nijanonan’ny kodiarana farany, ary akisaka ny fiara, sady miantso ny mpitandro filaminana natokana ho an’izany . “Io loza tsy misy maratra io no atao hoe : “à l’amiable”,; izay no antony handoavana “assurance” fa na misy fahasimbana lehibe aza ny an’ny hafa, anjaran’ny fiantohana no mandoha izany. Marihina anefa fa ela izany ka eo no mahafetsy ireo mahay lalàna,izay mandresy lahatra handoha vola hanamboarana izany.”Hoy i Onja, mpampianatra amin’ny “auto-école” sady mpamily efa nahita ireo karazana loza ireo. Raha nahafaty olona, araka ny lalana velona dia mihidy any amin’ny ivon-toeran’ny mpitandro filaminana, miakatra fampanoavana ary miditra am-ponja vonjimaika miandry fitsarana. Anjaran’ny fitsarana ny mandray an-tanana ny tohiny. Ireo nahavanon-doza kanefa nandositra, indrindra raha nandratrana na nahafaty olona mihitsy, mitombo ny vesatra anenjehan’ny lalana azy. Marihina hatrany moa fa ireo fiara mandalo na ireo mpanatrika ka tsy miraharaha tra-boina dia enjehin’ny lalana ihany koa.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT