ANTSOROKAHITRA IMERINTSIATOSIKA

Fiarakely nivadika ambony ambany, mamo ilay mpamily


  • Talata 01 Oktobra 2024

Efa tena tsy misy andavanandro sy faran’ny herinandro intsony ny an’ireo mpisotro toaka sasany eto amintsika.

Mpamily iray nitondra fiara kely Peugeot 206 omaly Alatsinainy 30 Septambra tokony ho tamin’ny 04 ora sy 45 minitra no mamo nefa nandeha mafy ka tsy nahatana familiana. Nivadika ambony ambany vokatr’izany ilay fiara, tranga niseho teo Antsorokahitra Imerintsiatosika. Raha araka ny fantatra dia avy any andrefana hihazo ny barazin’ny polisy ilay mpamily no tsy nahatana ny familiana intsony. Nifandrombana nifanome tanana nanarina ilay fiara ny fokonolona sy ny polisy nanoloana izany. Tsisy moa ny aina nafoy na ny naratra fa ilay fiarakely no simba tanteraka. Mbola nahenoana fofona alikaola ihany koa ireo tovolahy roa naman’ilay mpamily niaraka taminy tao anatin’ity fiarakely tra-doza ity. Efa nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina moa fa ho an’ireo mpamily fiara na mpitondra moto handrenesana fofon-toaka mihoatra ny 𝟬,𝟰𝗴/𝗹 eny am-pandehanana dia mety hihafara amin’ny fisintonana ny taratasy hahafahany mamily fiara izany.
Pati
Legende : Narenin’ny fokonolona tahaka izao ilay fiara kely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT