Fifamoivoizana

Antsongo Antsirabe I Nanitsaka ary nahafaty olona ilay fiara mpitatitra fasika


  • Alatsinainy 19 Jolay 2021

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny tananan’Antsongo, kaominina Antsirabe I Faritr’i Vakinankaratra ny Sabotsy lasa teo.

 Fiara mpitatitra fasika iray avy any Antanimenakely no tapaka tsindry hisatra ka nanitsaka mpitondra bisikileta iray nisasa tongotra tamin'ny lakan-drano.Olona telo no voadonan'ilay fiara vokatri’izany. Ny iray namoy ny ainy voatsindrin'ilay fiara. Tapaka kosa ny tongotr’ilay faharoa raha tsy nahitana ratra ny fahatelo saingy nentim-pahatairana mafy kosa. Ny zandary mpiandry vonjy taitra avy ao amin'ny Groupement ao Antanimenakely moa no tonga teny an-toerana namonjy ny loza raha vantany vao naheno izany. Niarahana tamin'ny fokonolona sy ny BMH kosa ny nisikotra ny razana. Marihina moa fa tsy tratra teo intsony ilay mpamily fa lasa nandositra noho ny tahotra mafy nahazo azy.Na izany aza fiara mahafeno fepetra amin'ny fahazoana mivezivezy tsara ity fiara nandona olona ity fa tsy sanatria akory tsy ara-dalana. Ny polisim-pirenena avy ao amin'ny sampana miadidy ny lozam-pifamoivoizana (BAC) kosa no mandray ny fanadihadiana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT