Fifamoivoizana

Antsohihy Nofaohan’ny kamio ireo mpivady nandeha moto


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Vehivavy izay tra-doza tao Ambalabe Ouest ‚ any amin’ny distrikan’Antsohihy no namoy ny ainy tsy fidiny rehefa nivoaka harivariva niaraka tamin’ny vadiny nitaingina moto.

 Raha araka ny fantatra dia nofaohan’ny kamiao izy ireo rehefa nikasa ny mba hitsangatsangana. Voa teo amin’ny lohany ilay Ramatoa. Noho ny habetsahan’ny ra very anefa dia namoy ny ainy izy raha voa mafy teo amin’ny lohany ihany koa ilay Rangahy. Fiara kamiao mpitaona fasika ao Antsohihy ihany io nifaoka azy mivady io. Na izany aza tsy nijanona ilay kamiao fa nanohy ny diany ary tsy fantatra ilay mpamily hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. . Tompon'andraikitra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Antsohihy ilay rangahy namoy ny vady andefimandriny io raha araka ny fantatra hatrany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT