Fifamoivoizana

Antsohihy-Ambanja “Alaina ao anatin’ny adin’ny 8”


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Misy foana ny vahaolana raha mazava ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Avy nandeha tany Ambanja ny tenako izao, hoy izy. Lalam-pirenena faha 6. Eo anelanelan’Antsohihy sy Ambanja, 180km, alaina ao anatin’ny adin’ny 8. 20 km isan’ora izany no lalana vita, raha atao ny kajy. Tsy nisy fijerena iny lalana iny izany nandritry ny taona maro. Mahagaga ihany hoe raha RN6, izay ao anaty “réseau structural” na mila fanamboarana no tsy hisy sora-bola ao anaty taona maro ny fanaovana ny fikojakojana azy. Amin’izao izany dia azo lazaina fa nisy sorabola tao fa nampiasaina amin’ny zavatra hafa na koa nipetraka ny sorabola fa nivily lalan-kafa ny enti-manana amin’ilay fikojakojana. Sora-bola amin’ny loharano avy ato anatiny amin’izao fotoana izao no mipetraka anatin’ny lalana mifehy ny tetibola. Na io sorabola io natao amoahana vola fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT