Fifamoivoizana

Antso fanairana hanamboarana ny RN5 Norahonana ireo mpitarika tao Foulpointe


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Manoloana haratsian-dalana Toamasina- Mahavelona (Foulpointe) dia saika hanao hetsika fanairana amin'ny

fitondram-panjakana ireo Hotely sy Restaurant ao Foulpointe ny sabotsy 6 aogositra teo 2022 satria tena zara raha mba misy mpanao fialan-tsasatra tonga. Làlana 56km monja handaniana hatrany amin’ny ora dimy noho ny haratsian-dàlana. Vokatry ny lalana ratsy dia kamo olona mandeha any Foulpointe, kanefa tanàna isan’ny miavaka amin’ny tontolon’ny fizahantany ny any, ary maro no mivelona amin’izany. Mikorosofahana tanteraka ny fameloman-tena miorina amin'ny fizahantany. Hetsika am-pilaminana teny amin’ny RN5 teo am-pidirana ny tanànan’i Foulpointe no saika hatao amin’ny alalan'ny fanaovana antso amin'ny haino amanjery. Tsy tanteraka anefa izany noho ny ramatahora. Ny zoma hariva, nahazo antso teny midina ilay mpitarika ilay hetsika hoe: “ajanoninareo izany hetsika izany raha tsy te ahita raharaha ianareo”, hoy ny vaovao azo. Foana ilay hetsika saika natao ny sabotsy. Malahelo amin'izao zava-misy izao ireo “Hôtelier-Restaurateur” sy ireo mivelona mivantana na ankolaka amin’ny tontolon’ny fizahantany ao Foulpointe. Efa zary lasa fomba fanao sy fomba fiadin’ny Fanjakana mihitsy izany ity mampangina ny olona tsy haneho ny zavatra tsy mety ity? Tsy manana vahaolana afatsy ny mandrahona sy ny manapim-bava ary ny sehatra rehetra hampiasana izany avokoa fa tsy ny politika irery ihany? Mitohy hatrany ny fanerena ny olom-pirenena hanaiky sy hangina fa izao no mety, izao no mila ekena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT