Fifamoivoizana

Antsiranana – Antananarivo Lafo loatra ny saran’ny sidina


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Nanao antsoavo ny avy eo anivon’ny governemanta Malagasy ny filoha lefitry ny

 

 

antenimieram-pirenena voafidy tao Antsiranana I, Jocelyne Rahelihanta, ny amin’ny tokony hijerena akaiky izay hahafahana mampidina ny saran’ny fiaramanidina mampifandray an’Antsiranana sy Antananarivo. Ny tapakila mandroso fotsiny ho an’ny sidina avy ao Antsiranana mihazo an’Antananarivo, raha ny fanazavany, no efa 2 tapitrisa ariary. Tena mahagaga fa lafo noho ny saram-piaramanidina avy eto Madagasikara mankany amin’ireo nosy rahavavy manodidina antsika izy io.Etsy ankilan’izay anefa dia potika tanteraka ihany koa ny lalam-pirenena faha 6 izay mampifandray iny renivohitra avaratra iny amin’Ambanja. Ankoatran’izay moa dia misedra olana goavana amin’ny resaka fananan-tany koa ireo mponina any an-toerana, raha ny fanazavany hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT