ANTANIMENABE AMPITATAFIKA

Nifatratra tany amina fiara hafa ilay 306 nisongona moto


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny teboka kilometrika 8 kms sy 400 Antanimenabe Ampitatafika,

lalam-pirenena voalohany afak’omaly Sabotsy 22 Febroary tokony ho tamin’ny 10 ora alina latsaka. Fiara Peugeot 306 iray no nisongona kodiaran-droa ka nifanehitra tamin’ny fiara Renault Kangoo izay nifanena taminy. Samy naratra avokoa ireo olona miisa 5 tao anatin’ireo fiara roa ireo vokatr’izany. Toraka izany koa ny mpamily ka voatery nentina nanatona ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Manentana ny mpamily mba samy hitandrina araka izany ny zandarimariam-pirenena. Mihena mantsy ny taham-pahitàn'ny mpamily rehefa avy tahaka izao ny orana. Malama koa ny lalana. Samy tsy mahatakatra lavitra ny jiro tifi-davitry ny fiara ka tokony samy handeha amin’ny hafainganam-pandeha antonony ny mpampiasa lalana.
Pati Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT