Fifamoivoizana

Antanimena – Soarano – Behoririka Mbola hitohy ny andrana teknika amin’ny fifamoivoizana


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Raha ny hita sy re omaly tontolo andro aloha dia maro ireo nimenomenona sy sorena teto Antananarivo Renivohitra vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny Antanimena, Soarano,

 Behoririka ary Ankorondrano.Ilay fandaminana vaovao momba ny fifamoivoizana eo Antanimena sy Soarano no voalaza fa fototry ny olana.Tena nitohana tokoa ny fifamoivoizana nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina ary tany amin’ny 10 ora sy sasany maraina tany ho any vao mba azo niainana .Na ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina aza dia niaiky fa henjana iny ka mila miezaka, araka ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambazotra sosialy twitter.Nanazava ny hariva avy eo ny avy ao amin’ny ppolisim-pirenena fa andrana teknika no natao izay mbola hitohy anio alakamisy sy rahampitso zoma.Maro ny zavatra hita sy tsapa ka mbola hivory indray avy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny polisim-pirenena sy ny kaominina ary izay rehetra voakasiky ny fitaterana dia ho hita eo hoe inona no mila amboarina sy ahitsy ; mety ve ilay fandaminana vaovao sa tsia.Mandra-piandry izany aloha dia ireo mpampiasa lalana izany no mila manaraka tsara ny lamina, eo ihany koa moa reo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana.Nesorina vao maraina omaly ireo mpivarotra amoron-dalana ary tsy nahazo nifamoivoy tamin’ireo faritra nisian’ny fanovana ny posy sy sarety.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT