Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-7 tao Antsirabe tamin’ny alatsinainy lasa teo.
Lehilahy iray tokony ho 35 taona nitondra moto indray no maty voahitsaky ny kamio lavabe ireny tokony ho tamin’ny 5 ora maraina raha ny nambaran’ireo nahita ny loza. Avy any Vinaninkarena ity lehilahy ity. Nikasa ny hamonjy toeram-piasana angamba satria mpiasa amin’ireo famokarana zava-pisotro ireny. Raha ny fanazavana nentin’ilay karitie mobily tao amin’ny fokontany Antanety-Antsirabe voalohany dia niara-nizotra samy hianatsimo ny roa tonta. Asa izay nahazo an’ilay moto fa nitontona ary nipitika ilay rangahy nitondra azy ary dia lasa tany ambanin’ilay kamio lavabe ka ny lohany mihitsy no potika tsy nisy noraisina, notetezin’ny kodiarana. Nampandrenesina ny havany ary nentina tany Vinaninkarena, fonenany avy hatrany ny razana. Raha ny fandinihan’ny olona dia nihevitra ny hisongona ilay fiarabe no nahavoa azy satria nilatsaka tamina lavaka ny moto nentiny ka tsy voafehiny. Hiaraha-mahalala fa potika sy feno lavadavaka tanteraka ny lalana rehetra ao Antsirabe ka tsy hita intsony izay handrindrana ny fifamoivoizana fa dia samy misisika amin’izay tsaratsara avokoa ny mpampiasa lalana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.