ANTANDROKOMBY ANOSIZATO

Vehivavy nitaingina taxi-bisikileta, maty voahitsaky ny kamio


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Vehivavy iray voalaza fa handeha hiasa, no maty voahitsaky ny kamio mpitaona biriky tetsy Antandrokomby

akaikin’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany. Raha araka ny fantatra dia avy any Ampitatafika Ratompokovavy ary nitaingina taxi-bisikileta mba hiala fitohanana. Ny tena mampalahelo anefa dia sady tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireny mpitondra taxi-bisikileta ireny no tsy manana fitaovana hiarovana ny ain’ny mpandeha ihany koa nefa tena misisitsisika tsy mahalala izay hahafaty azy tokoa. Taorian’ilay kamiao izy ireo no fantatra fa nandeha. Rehefa nihemotra tampoka anefa ilay kamiao hoy ireo nanatri-maso dia niala ilay mpamily taxi-bisikileta. Nikopily avy hatrany ilay Ramatoa nentiny taoriana vokatr’izany ka notatazan’ny kodiaran’ilay kamiao raha naratra toraka izany ihany koa ilay mpamily taxi-bisikileta. Ny lohan-dRatompokovavy mihitsy moa no vaky raha ny fahitana azy tamin’ny sary. Nandriaka dia nandriaka tokoa mantsy ny ra. Avy hatrany dia notazonin’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily ilay kamiao raha nogiazana ihany koa ilay kamiao nentiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fitateram-bahoaka eto amintsika. Na ireo efa mahay ny lalan’ny fifamoivoizana sy manana aroloha toy ny taxi-moto aza mbola manao ny hataony, maika va fa ireo karazan’olona tsy nahavita fiofanana akory nefa avela hiriharira ohatra izao isan’andro eto an-drenivohitra milalao ain’olona. Andrasana ho firy ireo mamoy ny ainy vao hisy fepetra horaisina ?
Pati
Legende : Tahaka izao ny ra nijininika tamin’ny lohan’ilay vehivavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT