Tsy misy taxi-be miasa intsony manomboka anio talata 05 Mey eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.
Noho ny fatiantoka izay niainan’izy ireo tao anatin’izay 15 andro niasany izay no voalaza fa anton’izany, raha araka ny fanambarana nataon’ny fivondronam-ben’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina omaly. Ankoatra izay dia nambaran’izy ireo ihany koa fa mitombo ny isan’ ireo olona lasibatry ny tsimokaretina coronavirus hateraky ny fifampikasoka ka mety sy tsara raha mampiato ny asany vonjimaika aloha izy ireo mandra-pisian’ny fepetra ara-pahasalamana sy ny dinika hitadiavam-bahaolana tsy hisian’ny fatiantoka intsony. Fa ankoatra ireo voalaza ireo dia namondrona ny heriny miaraka amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly ihany koa ny UCTU sy ny UCTS. Takian’izy ireo ny hahafahan’ireto farany miverina miasa tsy misy fatiantoka nefa manaraka sy manaja ny fenitra ara-pahasalamana. Toraka izany koa ny fanafoanana ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ireo fiara avy amin’ny faritra mihiboka hivoaka mankany ivelany ankoatra ireo mitondra marary sy ireo mitondra razana irery ihany. Farany izay tsy kely akory dia hangatahin’izy ireo fatratra ny hihaona mivantana amin’ny Filoham-pirenena izay Ray aman-dRenin’ny firenena hahafahana mitady vahaolana haingana. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : ho aiza indray manomboka anio ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana sy ireo mpiasam-panjakana manao service minimum miasa tapak’andro ? Andrasana izay mety ho tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.