Fifamoivoizana

Antananarivo sy ny manodidina Tsy afaka amboteiazy intsony


  • Talata 16 Janoary 2018

Tena mampitaraina ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ankehitriny ity resaka fitohanan’ny fifamoivoizana na amboteiazy lavareny isan’andro.

Noheverina fa amin’ny vanim-potoan’ny fety ihany no misy azy kinanjo miitatra hatraty amin’ny volana janoary. Hatreny Fenoarivo  ka hatreny Itaosy, Ambohimanambola sy Alasora  ka hatreny Sabotsy Namehana dia tsy hahatratra fotoana aty an-drenivohitra ianao raha tsy miala adin’ny 3 na adin’ny 2 mialoha. Ny fitohanana avy eny Ambohibao dia tsy hay lazaina intsony fa efa mipaka hatrany Andranotapahana ny avy any Andrefana ary tody hatraty amin’ny “Arts Malagasy” hivily any Ambohitrimanjaka iny avy aty Atsimo. Sady mandany fotoana no miteraka aretina ho an’ireo mora miakatra tosi-drà ity resaka amboteiazy ity nefa tsy mbola nisy mihitsy dinikasa mba hanalefahana azy io avy amin’ny mpitandro ny filaminana tsy miandraikitra afa-tsy ny mikasika azy io. Maro ny mihevitra fa tokony hanaovan’ireo solombavambahoaka fanairana ireo minisitra eo anivon’ny governemanta amin’ ity resaka ity satria saika eto Antananarivo eto no handanian’izy ireo ny androantokom-piainany noho izany mahita tsara ny zava-misy marina. Fanontaniana iray hafa hapetraky ny maro koa dia ny amin’ny ora marina fidirana sy firavan’ireo mpitandro ny filaminana (zandary sy polisy) voatendry handrindra ny fifamoivoizana an-dalambe fa maro amin’izy ireo no hita vao maraim-be amin’ny toerana iray dia tsy hita intsony mandra-paharivan’ny andro. Ny lalan-dratsy dia antony iray lehibe mahatonga ny fitohanan’ny fiara eto Antananarivo miaraka amin’ny karazana tsy fanarahan-dalàna isan-tsokajiny izay toa samy manao azy ihany kanefa mimenomenona avy eo.

 

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT