Fifamoivoizana

Antananarivo sy ny manodidina Kaominina 13 no nahazo lalana rary vato


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Raha lalana rary vato 10 km no toromarika nomen'ny Filoham-pirenena fa tsy maintsy ataon'ny faritra tsirairay dia efa mihoatra izany ary mbola hanao mihoatra lavitra izany aza ny Faritra Analamanga nanomboka ny 25 septambra 2019.

 

Lalan-tany (piste) kilometatra maro no efa vita sy azo aleha indray raha efa ratsy dia ratsy sy tsy azo naleha intsony izy ireny tany aloha.

Disitrika Avaradrano: Kaominina miisa valo no nisitraka lalana vita rary vato (pavé): Ambohitrabiby, Ambohimanga Rova (fkt Ambohidahy); Sabotsy Namehana; Ankadikely Ilafy (mampitohy fkt 4: Antanetibe, Mandrosoa, Ambatobe, Manjaka ary mivoaka any amin'ny RN3 no narahimaso); Ambobimangakely: lalana pavé eo Ambodivoara mampitohy an'i Andranovao sy Behintsy axe RN2 vers By Pass (ex RIP); Ambohimanambola: lalana pavé mampitohy an' Ampahimanga sy Ambohipeno; Masindray: lalana pavé mampitohy an'Antaramanana sy Ampanobe izay "point noir". Andrefana: Kaominina Anosiala: lalana vita rary vato sy tara mampitohy Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy sy Anjomakely. Namboarina ny lalana (piste) any amin'ny kaominina Mahitsy Ankadimainto mivoaka Andakana.

Distrika Atsimondrano Kaominina Andranonahoatra : axe Behenjy – Itaosy; Ambohidrapeto : axe Itaosy - Ambohidrapeto Marihana nividy "engins" ny faritra Analamanga mba hampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT