Fifamoivoizana

Antananarivo sy Antsohihy Anirian’ny lomotra fotsiny ireo “Gare Routière” vaovao


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Samy manana “Gare Routière” vaovao Antananarivo sy Antsohihy. Samy fotodrafitrasa naorin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izy ireo,

 

 

 ary efa vita aman-taonany ary efa samy vonona azo ampiasaina. Nampitondraina ny anarana “Gare Routière Fisandratana” ny etsy Amoron’Ankona ho an’Antananarivo. Tsy mbola nisy nampiasaina ireo “Gare Routière” ireo hatramin’izao. Hatramin’ny anarana “Gare Routière Fisandratana” etsy Amoron’Ankona aza efa nendahina. Ny toerana nanjary feno tranokala sy lomotra ampitoerana eo. Ny ao amin'ny parcage Antsohihy ampiasaina amin'izao fotoana anefa fotaka, torak’izany koa ny etsy amin’ny Fasankarana Ankadimbahoaka. Antony politika no voalaza fa sakana, tsy ampiasana azy ireo. Olom-boafidy no voalaza fa tsy manaiky ny hampiasana ny “Gare Routière” ao Antsohihy satria HVM nanao ilay asa. Mazoto anefa ireo kaoperativam-pitaterana raha afindra milamina. Tsy te higidragidra amin'ilay olomboafidy izy ireo te hiditra aza. Resaka fiantraika ara-tontolo iainana indray no voalaza fa tsy mbola ampiasana ny etsy Amoron’Ankona ho an’Antananarivo. Dia samy mametra-panontaniana ny mpanjifa hoe : fa aiza ny fitohizan-draharaham-panjakana ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT