Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitry ny fihemorana


  • Zoma 26 Aprily 2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

posy entin-tanana, andian'olona miloloha anana, kalesy mitondra akondro, taxi isan-karazany ( fiara,moto, bisikileta) dia efa fantatrao tsy misy ahiahy fa eto Antananarivo ianao izay. Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, ilay kaominina ambonivohitra manana sata manokana, natao dokam-badotra be tamin'ny 2019 fa nomena tohana ara-bola 10 miliara ariary. Dia efa lasa marina ny zavatra taloha fa mitoetra kosa ny fahasahiranana.Fotodrafitrasa natao hiainana mponina 500 000 ka hatramin'ny 1 tapitrisa no nisy teto Antananarivo, efa 3 tapitrisa ny olona mifamezivezy eto isan'andro ankehitriny.Sempotra ilay tanàna, sempotra ny olona, hita taratra fa tsy nisy mihitsy fiomanana na dia nipoapoaka aza ny fampanantenana tamin'izany fotoana. Fa fotoana oviana moa izany ? Tamin'ny 2007 naha ben'ny tanàna an'i Andry Rajoelina sy niomanany handrombaka ny fahefana.Tsy misy zava-miafina intsony ny amin'izany, tsy asiana adihevitra be fa ny zava-misy iainana 15 taona aty aoriana no porofo mivaingana fa tsy tolona fanavotam-pirenena-pirenena no natao teto fa hetsika fandrombahana fahefana ary vondron'olona voafetra ihany no nahazo tombotsoa tamin'io fa tsy ny vahoaka malagasy. Dia izao iaraha-mahita eto an-drenivohitra izao ny fahavoazana lehibe : jiro tsy misy, rano tsy mandeha, lalana potika, vidin'entana tsy zakan'ny vahoaka intsony, fandriampahalemana lasa zava-doza fa toa ifaninanana ny ombay mitady. Fihemorana no tsapa, fahasahiranana nitombo, velirano tsy tanteraka, Iles Eparses adino tanteraka.Antananarivo renivohitra..reraka.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT