Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Tsy ny kaominina fa ny minisitera no manamboatra ny lalana


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Tsy maintsy mmila ny ministeran’ny asa vaventy sy ny fanjakana foibe ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra fa tsy vitan’ny kaominina irery intsony raha araka ny fanazavana voaray

.Ny tsy fisian’ny fandehanan’ny rano, ireo lakan-drano tsentsina dia mivoaka eny amin’ny arabe ny rano maloto, mifangaro amin’ny tara eo amin’ny arabe dia miteraka fahasimbana. Avy eo mbola dilirin’ny fiara mandalo dia vao miha mitombo ny fahasimbana, arak any fanazavan-dRamatoa Bodosoa Razafimandimby avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra (CUA) .Efa ahitana lalana simba avokoa ny boriborintany 6 eto Antananarivo ary misy lalana dia efa tsy fanao ianao intsony mihitsy.Efa any amin’ny minisiteran’ny asa vaventy ny lisitry ny lalana mila havaozina sy amboarinaa tanteraka eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny fanazavana. Rehefa vita kosa anefa ireo lalana simba, dia anjaran’ny rehetra ny fikojakojana ary tsy maintsy samy mandray andraikitra ; aoka tsy hanary fako any anaty tatatra ary samy mikojakoja ny manoloana ny tranony sy ny faritra misy azy hoy ry zareo avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT