Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Tsy mahazo miasa intsony ireo “taxi-moto”


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Nilaza ny tsy hitsitsy an’ireo mpanao taxi-moto eto Antananarivo ny avy

 

 

 

 

amin’ny Fiadidian’ny Kaominina satria tsy manana fahazoan-dàlana hanao izany sa izay izy ireo, hoy ny Tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny CUA Ato Bemana Vigor tamin’ny fampahalalam-baovao ny faran’ny herinandro teo. Tsy ekena , tsy ara-dalàna, tsy nahazoana alalana,… Matoa misy ny taksibe dia nahazoa alalana matoa mitondra olona. Tsy nisy nanome fahazoan-dàlana ihany koa. Tsy misy antoka (assurance) ho an’ny mpandeha. Mazava ho azy fa raha sanatria voaendaka, tra-doza, tratry ny fitazonana an-keriny dia ianao ihany no tompon’andraikitra amin’izany, hoy izy. Ambara fa manakorontana ny fifamoivoizana izy ireo, ary mitera-doza. 67Ha, Ampefiloha, Ankadimbahoaka, Anosy, Ampasapito,… no isan’ny tena ahitana azy ireo. Ao anatin’ny in-droa isan-kerinandro ny fanenjehana. Tazonina 10 andro tsy latsaka amina valam-panagiazana ny moto tratra, raha ny fanazavana. Nandritra ny fotoanan’ny fihibohana no nanomboka nahazo vahana io seha-pitaterana iray io teto an-drenivohitra. Efa misy amin’ireo tanàn-dehibe eto amintsika no manaiky sy mampiditra ny moto ho isan’ny fitaterana ao aminy, toa an’Ambatondrazaka. Mbola hifanenjanana kosa izy io eto Antananarivo ka ny CUA maneho fa tsy mety, ireo mpanao azy mihevitra fa fanaovana kely tsy mba mamindro. Tsy azo eritreretina ve ny hampiditra azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna sa tena olana be ho an’Antananarivo tokoa ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT