Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Tsy mahafeno « versement » ny ankamaroan’ireo Taksibe


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Na fotoana hianaran’ny mpianatra sy hiasan’ny mpiasa aza izao dia marobe ireo mpamily taxibe no mitaraina ho tsy mahafeno « versement »

na ny vola tsy maintsy henjehina isan-kariva eto an-drenivohitra izay manodidina ny 60.000 Ar ka hatramin’ny 80.000 Ar. Noho ny haratsian-dalana no nambaran’ireo mpamily fa mahatonga izany. Na eto an-drenivohitra aza mantsy dia efa mitovy amin’ny any ambanivohitra mihitsy ny haratsian-dalana toy ny hita etsy Tsaralalana, 67 ha…. Mihena ny « tour » vita Raha nahavita toro miisa 7 araka izany ny taxibe iray teo aloha dia lasa 5 sisa amin’izao miampy ny fitohanana eny rehetra eny izay tsy mifidy ora intsony. Manampy trotraka izany hoy hatrany ny mpamily iray ny fahasahiranan’ny olona. Vitsy sisa ireo mpandeha mandoa saran-dalana tapa-dalana fa aleon’izy ireny mandeha dia an-tongotra. Tsy maintsy 600 Ar hatrany mantsy no alohan’ny tsirairay na dia tobim-piantsonana iray monja aza no dinganina nefa ampiana kely izay dia efa hahazoana vary iray kapoaka. Tsy mahavelona intsony araka izany ny asa fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha fehezina. Tsy lazaina intsony ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT