Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Tsy hiasa mandritra ny 3 andro ny taksibe


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Tsy sangisangy, hoy ny filohan’ny fivondronan’ireo mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra (UCTU) Atoa Lova Randrianatoandro ny fitokonan’ny taksibe mandritra ny telo andro fa tena hisy.

Fiandohan’ny herinandro na alatsinainy tahaka izao no hanombohan’io fitokonana io  izay natao indrindra  hanairana ny Fitondram-panjakana mba hampidina  ny vidin-tsolika fa tena tsy zakan’izy ireo intsony. Efa ela ihany izahay no nametaka ny petadrindrina momba ny tokony hampidinana ny vidin-tsolika saingy tsy misy mihaino. Avelanay hataon’ireo mpitatitra izay mahita solika mora ny fitaterana mandritra ireo telo andro ireo, hoy hatrany izy. Mikasika ilay saran-dalana 500 Ar  hihatra manomboka ny 01 septambra ho avy izao dia nambaran’Atoa Lova Randrianatoandro fa tena ireo tompona fiara mihitsy no nanapa-kevitra mikasika azy io fa tsy izy ireo intsony. Mahatsiaro matiantoka tanteraka mantsy ny tompona fiara, hoy izy, arahin’ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina. Ankoatra ity  fiakaran’ny vidin-tsolika sy kojakoja ilaina amin’ny fiara ity dia tsy neken’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ihany koa ilay fitondrana olona manao special hataon’ny taksibe mivoaka mankany amin’ny faritra. Anisan’ny mahatezitra azy ireo taxi-be ihany koa izany saingy raha ny feo re tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mety hihemotra amin’ny fanapahan-keviny indray ny ATT.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT