Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Taxi 100 no efa nahazo ilay “Licence” nomerika


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fanaovana fahazoan-dalana na “Licence” nomerika ho an'ny mpitondra fiara karetsaka na “Taxi” eto Antananarivo renivohitra.

 

 

 

Vita eo noho eo izany ary maimaimpoana no fanaovana azy, hoy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina. Hahafahana miady amin'ny “licence” hosoka, ny fakana vola tsy ara-drariny, sy ireo kolikoly isan-karazany moa no voalaza fa tanjona amin’izany. Hezahan’ny CUA hatrany ny mba hanafaingana ny fikarakarana taratasy rehetra eto anivon'ny kaominina, hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 100 ireo tompona fiara efa nisitraka izany sahady izay samy faly tamin’izao ezaka nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra izao. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fiara karetsaka ka mendrika ny hotohanana sy ampiana. Mahatratra 180.000 Ar isam-bolana ny patanty alohan’ny tompona fiara iray. 15.000 Ar isaky ny efa-bolana ihany koa ny hofan’ny tobim-piantsonana tsy maintsy alohany ankoatra ny trano fiantohana….Rariny araka izany raha havahana ireo fiara karetsaka tena ara-dalana hahafahana manafoana ireo manararaotra ity asa ity. Mahatratra 4.000 isa amin’izao ireo fiara karetsaka miasa eto an-drenivohitra.

Pati sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT