Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Simba avokoa ny ankamaroan’ireo lalana eto an-drenivohitra. Ankoatra ny etsy Ankadimbahoaka miazo an’ny By pass izay nirotsahan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga

mihitsy ny nanamboatra azy nefa efa simba sahady dia efa ahitana izany ihany koa ny eny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Ankadindramamy amin’i Nanisana. Tsy lazaina intsony ny etsy Ampasika, Ambodin’Isotry, 67 ha izay mitontona tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpampiasa lalana noho izany. Ireo mpitondra moto kodiaran-droa no tena mampanahy indrindra. Tsy vitsy mantsy ireo manaraka fiara avy aoriana ary tsy mahita lava ka lasibatry ny loza avy hatrany. Nisy mihitsy ireo efa naratra sy simba fananana vokatr’izany. Raha tsy mitsongolika ao anaty lavaka ilay mpitondra moto dia taitra mafy ary miala izany ka mifatratra any amin-javatra hafa dia tahaka izany hatrany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny asa vaventy mba hijery akaiky ireny lalana simba marobe eto an-drenivohitra ireny fa tsy ho variana hanonofy amin’ireo karazana tetikasa toy ny teleferika…. fotsiny izay tsy mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana akory.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT