Antananarivo renivohitra

Nogiazana ireo kodiaran-droa tsy nanara-dalàna


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Nogiazana avokoa ireo kodiaran-droa na «moto» tratra tsy nanara-dalàna

tetsy an-dohan’Analakely, izay nanombohana ny hetsika «Dona» eto Antananarivo renivohitra ny sabotsy maraina teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tao ireo tsy nanao aroloha sy nanao taingim-be ary nitondra taratasy tsy ampy. Natao hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna ataon'ny mpitondra kodiaran-droa ity hetsika ity, hoy ny fanazavana. Haharitra 5 andro ny hetsika, izay natao mba hisorohana ireo loza mety hitranga vokatry ny tsy fanarahan-dalàna, raha ny fanazavana hatrany. Tetsy ankilany, dia maro tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa no tsy nanam-po ity hetsika ity. Isan’ny fanehoan-kevitry ny sasany tamin’izy ireo moa ny hoe ekena fa tokony arahana ny lalàna fa tena lafo koa etsy ankilan’izay ny filàna rehetra ahafahana manaja izany. Ny vidin’ny aroloha iray fotsiny no efa mananika ny 50.000 Ariary. Manginy fotsiny ny alafon’ny fikarakarana sy fikojakojana samihafa hatramin’ny vidin-tsolika. Mbola asa koa izao izay hitranga rehefa haka ireny «moto» ireny, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT