Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Nampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara omaly


  • Talata 21 Jona 2022

Herinandro mialohan’ny fetin’ny 26 jona dia efa tena mampiteny ny moana sahady ny fitohanana eto an-drenivohitra.

Anisan’ny tena nampitaraina ny maro nanomboka omaly alatsinainy ny etsy Anosy sy ny manodidina vokatry ny fahatapahan’ny lalana manoloana ny lapan’ny fitsarana etsy Anosy hisian’ilay podium goavambe mandritra ny 6 andro. Ora roa raha kely no nanalan’ny taxibe iray ny faritra manodidina an’Anosy omaly. Raha niazo an’Anosibe kosa dia tafakatra ora 3 izany raha ora 4 mihitsy no lany ho an’ireo niazo an’i Soanierana. Tena mamay ny fitohanana raha fehezina. Ny madinika ihany moa amin’ny ankapobeny no tena lasibatra amin’ny trangan-javatra tahaka itony. Betsaka mantsy ireo lasa very asa fivelomana noho ny fitohanana lavareny etsy sy eroa. Voatery mandeha dia an-tongotra mihitsy ny sasany mba hahazoana ny hanin-ko hanina isan’andro. Nambaran’ny Raim-pianakaviana iray voatery nandeha dia an-tongotra niloloa hani-masaka entina hamidy teny amin’iny faritra Anosibe iny omaly fa raha resaka haitraitra dia tena lohalaharana izao fitondrana mijoro izao indrindra fa ny resaka fetifety. Raha ny resaka ativilanin’olona kosa hoy izy dia tena 0 boribory izy ireo tahaka izao fanapahany ny lalana izao ka tsy hahafahan’ny madinika mamelona araka ny tokony ho izy ny ankohonany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT