Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Namboarina ireo takelaby manoro lalana


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Mba hialana amin’ny fitohanana lavareny sy ho fampahafantarana ny olona sy ny mpitatitra rehetra eto Antananarivo Renivohitra amin’ny sehatry ny fifamoivoizana

 

dia nisy ny fametrahana takelaby famantarana samihafa na « panneaux de signalisation » izay notontosain’ny avy ao amin’ny “Direction des Transports et Mobilité Urbaine” na DTMU avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) omaly. Faritra maro no nanatanterahan’izy ireo asa tamin’izany toa an’i Manjakaray, Ambodivona, 67ha Coum. Ny station JOVENA ihany koa dia nisy ny fametahana “Panneaux d’interdiction “ an’ireo fiarabe  mihoatra ny 3,5 taonina. Teny Anosy Ambohidahy Rond point dia nosoloina « ny Panneaux d’interdiction » an’ny sarety, izay nisy nangalatra mba ho fampahafantarana ireo sarety mivezivezy eny an-toerana. Teny Ambohijatovo “Arrêt bus” Ankatso kosa dia nosoloina ireo “Panneaux d’Interdiction arrêt bus” izay nisy nanala. Ny anton’izao hetsika izao dia mba hialana amin’ny fitohanana sy ny  fanarahan-dalàna ary fampahatsiahivana sy fampahafantarana ny olona  sy ny  mpitatitra maro samihafa eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny fanazavana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT