Mihenjan-droa ny tany eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fiara karetsaka.
Mahatsiaro sorena loatra mantsy ny taxi amin’ny fihetsika hataon’ny kaominina toy ny tsy fijerena azy ireo nefa manjaka sy manao izay danin’ny kibony ireo taxi-moto izay tena manimba ny asany. Horaisin’ny taxi ny andraikitra ka fantatra hiara-kiasa amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena izy ireo hahafahana miady amin’izany. Hisorohana ny mety hisian’ny fanilihana ihany koa dia fantatra fa hanao fanisana vaovao izy ireo. Hilanja soa-baventy haneho ny firaisankinany ho hitan’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo androany Talata mandrapahazoany ny fandresena. Anisan’ny tena maharary ireo taxi ihany koa mantsy ny fahelan’ny fikarakarana ny antontan-taratasy momba azy ireo. Tokony hohafainganina ohatra ny fanaovana « mutation » sy ny « changement de matériel » fa betsaka ireo mihitsoka fotsiny nefa tokony hitady vola. Ankehitriny anefa dia efa mandeha any amin’ny fanaovana ho biometrika ny licence indray ny kaominina izay tsy ratsy akory hoy izy ireo saingy tokony alefa mian-dalana ao anatin’ny fifampitsinjovana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.